Kianjan’ny kanto, toerana iray ao Mahamasina, natokana ho an’ny hiragasy sy ny hira malagasy. I Rossy no mitantana ity toerana ity, miaraka amin’ny fikambanana Soma. Tao anatin’ny efa-taona nananganana sy nikarakarana ity kianjan’ny kanto ity, dia efa maro ireo mpanakanto sy hetsika efa natao tao.
Mbola betsaka ihany koa anefa ny asa mbola tokony hatao, ary ao anatin’ny fikarakarana hatrany I Rossy. Raha ny vina, dia any amin’ny volana jiona 2015 any no vita ny asa rehetra, toy ny tamboho amin’ny tany gasy. Amin’izany fotoana izany no ho atao ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ity toerana ity.
Tafatafa niaraka tamin’ny Rossy, momba ity kianjan’ny kanto ity, izay toerana mahaleotena ara-bola.