Miverina amin’ny laoniny amin’ny ankapobeny ny fiainan’ireo mponina ety Avaratr’Ankatso sy ny manodidina. Saika miverina amin’ny asa aman-draharahany ny tsirairay. Momba ireo trano voakasika tamin’ny fanapoahana ilay vatobe kosa dia re fa amin’io herinandro ho avy io no tokony hoanomboka ny fanaovana tombana momba ny fahavoazana. Ny fanjakana raha tsiahivina no Mandra-piandry ny fanarenana ny trano, any amin’ny fianakaviana no mipetraka ireo olona nonina tamin’ireto trano misy fahavoazana ireto.
Nanomboka ny sabotsy teo ny fanesorana ireo vato ety Avaratr’Ankatso. 60 eo ho eo ireo olona miasa ety isan’andro. Telo arivo ariary ny karama raisin’izy ireo mandritra ny tapak’andro iasana.