Passer au playerPasser au contenu principal
  • il y a 14 ans
Niraraka teto ny vonim-boasary
Nihintsana koa vonin-dramiary ô
Fa lasan’ny lolo, ny renin-tantely
Takola-panenitra ô, ity no mamely

Izany no tsy tantiko raha eto an-tany
Ny ditran’ny foko nandraisako kiho ô
Mangidy mihitsy ny tahaka izany
Ka neniko mafy ô manomboka anio

Ny foko mitsetra sy vonton’ny sento
Porofo mazava ny toetra ny eto ô
Mamitaka mafy ka mahasodoka
Anio be mazava ampitso misoka

Ataoko veloma ny ditra mandoza
Nanaikitra mafy tahaka ny foza
Samia mba nendry samia mba misaina
Raha mbola tsy maty ô hendre sombinaina

Ingahy RANAIVO

Catégorie

✨
Personnes

Recommandations